22 febroary : Fetin’ny mpanorina ny Skoto
Isaky ny 22 febroary no fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’i mpanorina ny skoto, Lord Smith Stephenson Robert Baden Powell. Feno 100 taona tamin’ity taona ity izy.
« Misy hatrany ny fankalazana na efa maty aza izy. Ireo skoto no manatanteraka sy mamelo-maso azy amin’izao. Tsara raha hanaovana avokoa ny akanjo maha skoto rehetra 22 febroary tahaka izao » hoy i Narindra, mpitarika Antily. « Mila asandratra avo ny voninahitry ny mpamorona antsika. Mazotoa hatrany manao skoto » hoy ny avy any Toamsina FIV 4 Manareza vavahady. Misy sokajy maro hita ao amin’ny skoto toy ny Tily, Mpanazava, Antily, Fanilo, Eclaireur (se).
Sehatra azo hitaizana ny ankizy sy ny tanora tokoa ny skoto. Manana ny toerany tokoa eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
