Etats-Unis : Miharatsy ny toe-pahasalaman’i Céline Dion
Efa amam-bolana maro no nisedra tsy fahasalamana ilay mpihira malaza Céline Dion. Ny 19 oktobra teo izy no efa nanemotra ny fampisehoana rehetra tokony nataony. Tsy mbola fantatra kosa ny aretina mahazo azy, saingy raha ny fanazavana dia malemy ny tongony amin’izao fotoana, ary manaintaina ka tsy afaka miala eo ambony fandriana izy. Efa nararinin’ny « spasmes musculaires sévères » kosa nefa izy hoy ireo olona akaiky azy ary nilaza izy ireo fa tena vizana sy nihena i Céline Dion. Mbola eo am-pitsaboana izy amin’izao fotoana.
