Festival Mimosa : Hetsika ara-kolontsaina manamarika ny distrikan’Ambatolampy
Hetsika ara-java-kanto narahina fampirantiana marolafy no nentina nanamarihana ny hetsika « Fety Mimosa » tamin’ity taona 2022 ity, izay fanaon’ny faritr’I Vakinakaratra, ao amin’ny distrikan’Ambatolampy.
Efa ho 20 taona izao no nankalazana ny « Fety Mimosa » ho an’ny faritry Vakinakaratra. Ary anisan’ny fety nanomezana lanja manokana ilay zava-maniry “Mimoza” izay mampiavaka sy mampalaza iny faritra iny manokana. Tamin’ity indray mitoraka ity, hetsika ara-kolontsaina no nampirantiana ireo karazana kanto sy asa-tanana mampiavaka an’ny faritra no fanomezana lanja ireo asa Tanana ihany koa.
Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina ny fanohanan’ny Minisitera misahana ny serasera sy ny kolontsaina hetsika « festival » ara-kolontsaina tahaka izao entina hanasongadinana ny maha-izy ara-kolontsaina faritra na distrika iray, raha ny nambaran’ny ministra misahana izany.
Manitra Ramanantsoa
