Allemagne : « Bataille de Heligoland », ady an-dranomasina voalohan’ny ady lehibe voalohany
Ny « Bataille de Heligoland » niseho tamin’ny 28 aogositra 1914 dia anisan’ireo ady an-dranomasina voalohany tamin’ny ady lehibe voalohany. Nifanandrenan’ireo sambo roa lehibe indrindra eran-tany izany dia ny « Grand Fleet », sambon’i Angleterre sy ny « Kaiserliche Marine », sambon’i Allemagne.
Tao amin’ny nosy Heligoland ao Allemagne no niseho io ady io. Hatramin’ny taona 1417 dia an’i Danemark io vondronosy io. Noroasain’ny britannique nefa izy ireo ny 31 aogositra 1807 ka lasany tamin’ny fomba ofisialy ny vondronosy ny taona 1814. Ny 1890 kosa dia nanao sonia ny fifanarahana « Heligoland-Zanzibar » i Royaume-Uni sy Allemagne izay nanakalozana ny nosy Heligoland tamin’ny fananan’i Allemagne sasantsasany tao Afrique atsinanana sy ny fampanantenan’ny fanjakana tsy hitsabaka amin’ny politik Britannique momba ny « sultanat de Zanzibar».
Fifanenjana ara-tanjaka an-dranomasina kosa no niteraka ady teo amin’ny roa tonta. Marihana fa izy ireo no firenena nantanjaka indrindra teo amin’ny sehatra an-dranomasina tamin’izany.
