Gasy Stand Uppers: Hetsika maro no ahitana azy ireo amin’ity volana oktobra ity.
Efa manana ny toerany lehibe ny mpanao hatsikana vao misondrotra eto Madagasikara. Na dia tanora aza izy ireo dia efa manana ny atao hoe fahaizany manokana mihitsy. Efa manana ny lenta ambony ihany koa ny fampisehoana tanterahan’izy ireo.
Mandritra ity volana oktobra ity dia efa maro ny hetsika mety hisehoan’izy ireo. Mpikambana maro no ao anatin’ity “Gasy Stand Uppers” ity. Daty maro ary toerana isan-karzany no mety ahitana azy ireo. Misy ireo mandeha tsirairay ary ao ihany koa ireo miaraka maromaro.
“Hisolo tena anay amin’ny hetsika miaraka amin’ny Sandix i Hasimbolaniaina, mpanafana ny lanonana no anjarany amin’izany. Ao amin’ny toeram-pamakiana boky ao amin’ny Alliance Française Andavamamba kosa ny 22 oktobra izao, hifampizarana mahaksika ny “stand Up”. Ahitana an’i Raytra Belaw’yck, Aina Maharavo, Orimah Sarobidy, Lanja Babeine, Falitiana Kely, Zina Rabedaoro kosa ny 29 oktobra izao ao amin’ny CGM Analakely”, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Gasy Stand Uppers.
“Mety mbola hiampy ireo daty ireo fa ireo aloha hatreto no efa azo antoka. Hanome ny stara avy aminay hatrany izahay mandritra ny hetsika rehetra. Ho afa-po avokoa izay mety ho avy amin’ireo fotoana ireo. Mety misy lafolafo ny fidirana fa “passion” ity ka tsy maintsy manome izay tsara indrindra avy aminay izahay amin’izay olona tonga eo”, hoy i Aina Maharavo.
Efa manomboka mampiditra tsikelikely ity kolontsaina mahafinaritra ity amin’ny sehatra rehetra ry zareo ao amin’ny Gasy Stand Uppers. Fialamboly tsara ho an’ny tsirairay ihany koa izy ity satria mety hampihena ny rarin-tsaina na ny stress ny tsikitsiky.
Miora Raharisolo
