ActualitésTsidika

Alasora: Handalo ao amin’ny kaominina ny CNAPS Ambohimiandra

Handalo ao amin’ny kaominina Alasora ny CNAPS Ambohimiandra, rahampitso Alakamisy 20 Oktobra. Araka ny voalaza, handray ireo antotan-taratasy rehetra izay tokony haterina any amin’ny Cnaps izy ireo, hisy ihany koa ny fandraisana ny taratasy fanamarinam-pahavelomana (Certificat de vie) sy ny taratasy fanamarim-pianarana ny taona 2022-2023 (certificat de scolarité) fa indrindra hamaly ireo fanontaniana izay mety hanitikitika ny mponina izy ireo mandritra izany.

 “Maro ireo mametra-panontaniana na tsy mahalala akory ny antom-pisiana na mahakasika ireo fihaina ara-tsosialy isan-karazany ao amin’izany ivon-toerana izany ka fotoana izao, tokony hanararaotana amin’ny fanontaniana mahakasika izany na te hisitraka ireo tolotra isan-karazany ao” hoy ireo tomponandraikitra.

“Ilaina ny fanentanana amin’izao hetsika izao, mety maro ireo tsy mbola mahafantatra kanefa mety ho liana indrindra ny eo amin’ny lafin’ny fiahiana ara-tsosialy sy mahasika ireo antontan-taratasy isan-karazany, maro ireo tokony hisitraka” hoy I Mirana, mponina ao Alasora.

Maro ireo mety mametra-panontaniana mahakasika ny hetsika sy ny antom-pisian’izany ivon-toerana cnaps izany sy ny asa sahaniny. Tsara ny manantona eny anivon’ny kaominina raha te hahafantatra misy misy kokoa mahakasika ny hetsika.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire