Kolontsaina: Efa afaka mitaha amin’ireo mpanakanto avy ivelany ireo mpilalao Jazz eto Madagasikara
Andiany faha 30 ny hetsika Madajazzcar tamin’ity taona 2022 ity. Ireo rehetra misehatra ao anatin’ny mozika Jazz rehetra manerana ny nosy sy ireo avy any ivelany no niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany.
Niara-niasa tamin’ny Sanfil izay misy an’i Silo ny Madajazz off tamin’ity taona ity nahafahana nanatanteraka izany nadnritra ny tapa-bolana teo. Nahitana akony tsara izany raha ny nambaran’ireo mpikarakara ireo. Na dia mbola tsy manana ny teorany tsara aza ireo “jazzmen” eto Madagasikara dia mamiratra izy ireo raha oharina amin’ireo mpanakanto avy any ivelany izay tonga nanome voninahitra ny seho teto an-toerana.
“Mamiratra ireo mpilalao Jazz eto amintsika satria efa mitady hanakaiky ny mpanao Jazz any amerika izy ireo. Ny Jazz izay kolontaina amerikanina ka nahagaga ireo mpisehatra fa hananantsika voajanahary ilay angola, sy ilay “blues” tadiavin’ireo amerikanina ireo amin’ny resaka Jazz. Akony iray tsy mampitsanga-menatra izany satria anisan’ny hitondra ho avy mamiratra ho amin’ny kolontsaina Mlagasy ihany ko”, hoy i Silo, avy ao amin’ny Sanfil.
“Izany Jazz izany tena mozika mampitony, mampilamintsaina, fa mbola vitsy no tia azy. Maro be ny antony ary mety samy manana ny antony tsy hitiavany azy ny tsirairay fa amiko aloha mahay ireo mpanao Jazz eto Madagsikara. Mila ampiana tosika kely fotsiny izy ireo indrindra ny avy amin’ny ministeran’ny kolontsaina satria mbola maro ihany koa ireo tsy mahafantatra ny tena hevitra fonosin’izany hoe Jazz izany”, hoy i Rivo, mpankafy Jazz.
Mbola tsy manana ny toerany ny mpanao Jazz eto Madagasikara. Mila fanentanana sy fampahafantarana betsaka izany satria maro mpana-talenta isika ary mamiratra tokoa izy ireny. Tsy voatery hoe mihidy amin’ny kolontsaina ato anatiny fotsiny isika fa ilaina ny fivelarana amin’ny kolontsaina maro ka anisan’iany ny Jazz, antony iray hisian’ny hetsika Mdagajazzcar ihany koa izany.
Miora Raharisolo
