Sabotsy Namehana : Nisy paik’ady napetraka hamporisihana ny olona handoa hetra
Napetraka ny paik’ady ho famporisihana ny mponina mba handoa hetra ny tompon’andraikitra ao Sabotsy Namehana. Mahazo karatra manamarina ny fandoavan-ketra ny mpandoa hetra tsirairay.
« Miantoka ny fahaleovan-tenan’ny kaominina ny fahazotoana mandoa hetra. Tsy afaka ny hisitraka fampandrosoana ny vahoaka raha tsy mandoa hetra. Adidy ho an’ny tanàna sy ny firenena io » hoy i Andry, manam-pahaizana mikasika ny hetra. « Hita ao anatin’ity karatra ity avokoa ny hetra voalohan’ny tsirairay. Na ny hetra trano io na ny hetra tany. Teo aloha mantsy karazana taratasy kely no nozaraina, ary hita fa mora very ilay izy » hoy ny ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana, Andriamosa Avotraina.
Tsy tokony hitovy tokoa ny zon’ny mpandoa hetra sy ny tsy mapndoa hetra. Ampahany kely ihany amin’ny vola miditra amin’ny tsirairay ny hetra, ary tsy tokony hametrahana olana ny fanefana izany.
Nicole Rafalimananjara
