Mijery akainy ny faritra Menabe ny Polisim-pirenena
Mitohy ny fitsidihana ataon’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena sy ny ekipany tany amin’ny faritra Andrefana iny. Tany Antsalova sy Belo ambonin’i Tsiribihina izy ireo ny namarana ny fitsidihany tao amin’ny faritra Melaky.
« Miantoka betsaka indrindra ny filaminanay vahoaka ny polisy ka tsara kokoa raha hatsaraina hatrany izany » hoy ny mponina tao Melaky. Nisy ny fifanakalozan-kevitra izay notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena niaraka tamin’ireo Polisy tany an-toerana entina hanatsarana ny kalitaon’ny asa amin’ny fanampiana sy fiarovana ny vahoaka. « Efa tsara ny ezaka indrindra ataon’ireo tompon’andraikitra ety ifotony satria ny tany Antsahalova izao dia notoloran’ny ben’ny tanàna Bekopaka tany hanorenana « Poste de Police » ny Polisim-pirenena hoentina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana » hoy ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena.
Taorian’ny fitsidihana ny faritra Melaky dia nihazo ny faritra Menabe indray izy ireo ka tonga tao Morondava ny 19 jolay 2021. Toy ny tany amin’ny faritra Melaky dia nihaona tamin’ireo Polisy any an-toerana ny delegasiona. Isan’ny nivoitra nandritra ny fihaonana ny toromarika nomen’ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena eo amin’ny ny fomba fitondran-tena sy ny fankalazana ny faha 60 taonan’ ny Polisim-pirenena. Nisy ihany koa ny fitsidihana mahakasika ny fizotran’ny asa amin’ny fanamboarana ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka vaovao ao Morondava. Mitohy ny fitetezam-paritra ary any Miandrivazo indray no faritra ho tsidihina manaraka hoy ny avy ao anivon’ny Polisim-pirenena.
Nicole Rafalimananjara
