ActualitésTatitra

La Réunion : Misokatra ny 15 febroary izao ny fihazana trandraka ao amin’ny nosy

Nanao fanambarana ny ONF Réunion sy ny federasiony ny departemantan’ny mpihaza ao La Réunion fa misokatra ny 15 febroary ary hifarana ny 15 aprily izao ny fihazana « tangue » na trandraka antsoina ihany koa hoe « hérisson malgache » ao amin’ny nosy.

Manomboka ny 31 janoary hatramin’ny 14 febraoary kosa ny fakana fahazo-dàlana ho amin’’izany ao amin’ny biraon’ny ONF ao Bourg-Murat sy ao amin’ny birao ny tale jeneraly ny ONF ao Saint Denis. Ny vidin’ny fahazoan-dàlana ho an’ny « lot » iray dia 60 €. Misy ihany koa nefa ny vidiny 150 € izay ahafahana mihaza amin’ireo « lot » 13 izay mivelatra amin’ny velaran-tany 25 535 ha ao Bébour-Grand Etang, Bélouve, Cilaos, Entre-deux, Grand Brulé (Volcan), Hauts sous le Vent, Les Makes, Piton de l’eau, Plaine des Palmistes, Rivière des Remparts, Rivière Langevin, Le Brûlé (Hauts de St Denis) ary Salazie.

Laisser un commentaire