ActualitésTatitra

Chine : Niala ny fonenany tamin’ny tetezana mitsingevana ny mponina

Toerana maromaro ao amin’ny tanànan’i Xinxiang no mbola voadidin’ny rano be nateraky ny andro ratsy niseho tao amin’ny faritanin’i Henan andro vitsivitsy izay, nahafatseana olona 33. Mponina maro tao amin’ny tanànan’i Xinxiang no notaterina tamin’ny « ponton amovible » niala ny toerana ny 23 jolay teo. Mbola tototry ny rano kosa nefa ny ampahany amin’ny afovoan’ny tanàna.Tsy misy fifandraisana amin’izao tontolo izao intsony ny renivohitry ny faritanin’i Henan izay misy mponina zato tapitrisa eo, i Xinxiang sy ny manodidina azy, 90 kilometatra miala an’i Zhengzhou, izay tena voakasika indrindra tamin’ity loza ity. Nanambara ny fahitalavitra CCTV fa mpamonjy voina maromaro no nanampy ireo mponina ireo niala tao amin’io toerana tondra-drano io tamin’ny alalan’ny tetezana mitsingevana mandeha milina. Tsy misy raisina intsony ny fambolena ao an-toerana ary tampon’ny hazo sy ny tafo sisa no tazana.

Laisser un commentaire