Actualités

Europe : Hatsahatra ireo fivezivezena tsy laharam-pahamehana.

Tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ireo firenena 27 mpikambana ao amin-ny fivondronambe eoropeanina, notarihin’ny filohany Ursula Von Der Leyen, tamin’ny alalan’ny video kaoferansa, fa tokony hatsahatra ireo fivezivezena tsy laharam-pahamehana amin’ireo firenena mpikambana, manoloana ny fisian’ilay virus variant anglais; etsy andanin’izany anefa dia nanambara i France fa tsy maintsy hisy ny fitakian’izy ireo ny fanamarihana nanaovan’ireo mpandeha andrana PCR, 72 ora alohan’ny fiaingana, tsy terena kosa anefa izany ho an’ireo mpiasa manodidina ny sisin-tany sy ireo manana antony manokana tsy maintsy ivoahana an’ny frantsa, nanambara ihany koa ny ilohan’ny kaomisionina eoropeanina tamin’ny alalan’ny filohany Charles Michel fa hatao laharam-pahamehana ny fahatongavan’ireo vaksiny any amin’ireo firenena mpikambana, na dia nisy aza ny fanambarana mahakasika ny fahataran’ny ny famatsiana ny vaksiny vokarin’ny Pfizer sy BioNtech, izay hany vaksiny 2 nahazo ny fankatoavan’ity kaomisionina ity, kanefa nanaiky ihany koa ity kaomisionina ity ny fahazoana mampiasa ilay vaksiny Moderna saingy mbola miandry kosa ilay vaksiny AstraZeneca, izay efa ampiasaina any Angleterre. Vaksiny mahatratra 2 500 tapitrisa no efa nifanaovan’ny vondrona eoropeanina sonia fifanarahana miaraka amin’ireo laboratoara 6 mpamokatra fanafody, nangataka kosa anefa ny firenena grika ny mba hisian’ny sertifika iraisana ho fanamarihana ny fahavitan’ny vaksiny fanefitrin’ny corona saingy nolavin’ny ankabeazan’ny mpikambana izany noho ny fahavitsian’ny olona efa vita vaksiny sy ny mety ho fahombiazan’ity vaksiny ity, tokony hisy ny fitovian-kevitra hoy ingahy Michel mba hahafahana mampisy ity fanamarihana iraisana ity.

Laisser un commentaire