Ankadikely Ilafy: Mila fijerena ireo lalana simba
Anisan’ny mampitaraina ireo mponina ao amin’ny tanànan’Ankadikely Ilafy ihany koa amin’izao fotoana izao no mahakasika ireo lalana simba. Na andro avy orana na amin’ny andro maina dia mamotaka ny lalana vokatry ny tsy fisian’ny tatatra eo an-toerana intsony, araka ny voalaza.
» Efa ela ihany no nanao fitarainana tamin’ireo tomponandraikitra ny lba hijerena akaiky sy hanamboarana ity lalana ity fa tsy mbola hatreto na ny fiaraha-mientana eo amin’ny mponina mpampiasa ny lalana aza » hoy i Odile, mponina ao Ankadikely Ilafy.
» Ny tena olana amin’ity lalana ity moa dia ny fisian’ireo rano avy any ambony izay lasa miangona eto fa mahatonga ny fotaka eo foana. Ary rehefa maina ny andro dia tena mamoaka fofona ratsy amin’ny lalana » hoy i Mino, mpivarotra eo amin’ny manodidina.
Mila fijerena ifotony sy fandraisana andraikitry ny tsirairay ny fahasimbana tahaka izao. Tsy voatery hiandry tomponandraikitra tokoa fa azo atao ny manao tana-maro na asam-pokonolona amin’ny fanarenana ny lalana tahaka izao.
Manitra R.
