ActualitésTsidika

Ankadinandriana: Nisy ny fivoriana nataon’ireo zanak’Ankadinandriana

Nisy ny fivoriana izay nataon’ireo tanora zanak’Ankadinandriana, tao Soamanandrariny, ny fiandohan’ny herinandro teo. Maro ireo hevitra tapaka nandritra izany, indrindra ny nitsanganan’ny fikambanana Zanak’Ankadinandriana Miray sy ny fampiraisana indray ireo terak’Ankadinandriana, araka ny voalaza.

“Anisan’ny zavatra tapaka nandritra ny fivoriana voalohany izay notanterahana ny mahakasika ny fitsangatsanganana izay hiarahan’ny terak’Ankadinandriana ary hanasana ny rehetra indrindra satria amin’izany no hanatenterahana ny fifidianana izay mpikambana handrafitra ny birao” hoy ireo tomponandraikitra amin’ny fikambanana.

“Maro ireo hetsika ho hita eny an-toerana mandritra izany, izay mbola ho lazaina miandalana ny fotoana hanatanterahana izany. Mbola hisy moa ny fivoriana izay hatao amin’ny tapaky ny volana aprily ary hanentanana ireo voakasika mba ho avy amin’izany fotoana izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Mamelo-maso ny tany niaviana no fanehoana ny soatoavina malagasy, indrindra ny firaisan-kina ny fijoroan’ny fikambanana tahaka izao. Mila fanohanana sy fiaraha-mientana araka izany mba hampiroborobo sy hampijoro azy ireny.

Manitra R.

Laisser un commentaire