Japon : Nanolotra volavolan-dalana hankasitrahana ny fanambadian’ny mitovy fananahana ny antoko mpanohitra
Nanolotra volavolan-dalana nangataka ny fankasitrahana ny fanambadian’ny mitovy fananahana ny antoko mpanohitra lehibe tao Japon, PDC (Parti démocrate constitutionnel) ny alatsinainy teo. Nataon’izy ireo izany mba hamporisihana ny governemanta mba handroso eo amin’io lafiny iray io alohan’ny fihaonan’ny G7 amin’ny volana Mey ao Hiroshima raha ny fanazavana.
Tsy ho lany mihitsy kosa io volavolan-dalana io raha ny tatitra noho ny antoko PLD (Parti libéral-démocrate) izay eo amin’ny fitondrana maro an’isa ao amin’io fankatoavana izany. Raha tsiahivina kosa dia tsy vao voalohany io fangatahan’ny mpanohitra io. Tamin’ny taona 2019 dia efa namolavola volavolan-dalana tahak’izany ihany koa ny PDC sy antoko mpanohitra samihafa saingy tsy nentina teo alohan’ny parlemanta akory izany.
