Fiherenana Toliara: Nahitana fihenana ny rano eo amin’ny tetezan’ny Belalanda
Raha narahi-maso fatratra ny rano izay hita eo anivon’ity Fefiloha Firenana ao Toliara ity noho ny rotsak’orana betsaka vokatry ny rivo-doza Freddy dia efa nahitana fihenana izany. Raha 2.20m ny hahaovin’ny rano teo amin’ny tetezan’ny Balalanda io dia efa nisy fihenana kely izany ary mihena miandalana isaky ny ora.
“Mbola hatahorana ihany ny mahakasika ny rano be izay mandalo ka mbola mitoetra araka izany ny filazana oza miloko mena amin’ireo tanana manamorona ny reniranon’i Fiherenana satria mbola ao anatin’ny mari-drefin’ny filazana loza mihatra hatrany ny eo an-toerana”, hoy ny avy ao amin’ny Météo Madagasikara.
“Miovaova hatrany ny filazana ka izany no tokony hihainoana vaovao matetika indrindra rehefa avy nandalovan’ny loza voajanahary toy izao. Tapaka foana anefa ny jiro rehefa fotoana toy izao ka izany indrindra no tokony hikarohana vahaolana amin’ny fitaovan-tserasera ho ampiasaina. Tokony hiverina amin’ny radio mandeha “pile” sy ahodiana tanana ve sa inona no vahaolana tokony haroso”, hoy i Lalaina, mpandinika fiaraha-monina tamin’ny fanazavana izay nentiny.
Miara-dalana amin’ity fefiloha izay andrasana ity dia mila mailo hatrany ireo mpampiasa lalana satria ho sarotra ny fiampitana sy ny fampiasana ny lalana rehetra, indrindra ny lala-tany izay mety halama. Tokony hanaiky ny fandaminan’ny tompon’andraikitra rehetra amin’ny fotoana toy izao.
Miora Raharisolo
