ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Omby efa tsy nisy nofony sy taovany intsony hita tao Soaniadanana

Nampametra-panontaniana ny maro, omaly alarobia, ny fahitana omby iray efa maty tsy nisy nofony sy taova intsony, tao amin’ny fokontany Soaniadanana, kaominina Sabotsy Namehana. Tsy mbola fantatra ny tompony, hatramin’ny nahitana ny zava-nitranga omaly, araka ny voalaza.

“Ny zavatra tahaka izao no tena mahakivy ny mpiompy ety amin’ny faritra ambanivohitra. Misotasota loatra ireo mpanao asa ratsy ka miditra fatiantoka hatrany ny mpiompy manoloana ny tsy fandriam-pahalemana” hoy i Anja, mponina ao Sabotsy Namehana.

“Tsy fantatra intsony na noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso na ny fandraisana andraikitra no mahatonga ny tranga tahaka izao. Fa manomboka eny amin’ireo fivarotan-kena sy ny eny amin’ny fokontany dia tokony handray fepetra avokoa” hoy i Aro, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Tsy vao izao no nitrangana endrika asa ratsy tahaka izao raha ny tato amin’ny distrika avadrano. Teo aloha, amam-bolana vitsy izao, no nisehoana tranga niseisesy tahaka izao ihany koa tao amin’ny kaominina Anjeva. Manao antso avo amin’ireo manam-pahefana sy mpitandro filaminana moa ireo mponina, hijery sy hanaraka akaiky izay zava-misy izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire