ActualitésTatitra

Etats-unis: Avy ny trondro tao Texas

Tsy hoe « avy ny orana » fa « avy ny trondro ». Trondro lehibe nirefy 15 santimetatra no niraraka avy tany an-danitra niaraka tamin’ny orana tamin’ireo mponina Texarkana tao Texas. Toe-javatra miavaka fa azo hazavaina ara-tsiantifika io tranga io hoy ireo manam-pahaizana. Mety ho sahona, foza ihany koa izany hoy izy ireo fa mitovy avokoa ny fisehony.Rambon-danitra no mitondra ireo biby milatsaka avy any an-danitra ireo. Entin’ny tafiotra mikisaka izy alohan’ny handatsahan’ny rahona azy amin’ny toerana hafa. Firenena maromaro toy i Inde, Serbie, Australie ary Japon ihany koa no efa nahitana io tranga io. Mety mampidi-doza ihany koa nefa ny tranga noho izy mety handatsaka zavatra mandratra toy ny vato.

Laisser un commentaire