Mbola voatazona foana ny fomba Malagasy mandritra ny famoran-jaza any Ambatondrazaka
Mahazo vahana ankehitriny ny fanatanterahana ny famoran-jaza amin’izao vanin’andro ririnina izao indrindra ny any Ambatondrazaka izay mbola manaja tanteraka ny fomba Sihanaka. Efa azo atao amin’ny fomba maro mantsy izy ity toy ny fomba Amerikanina saingy mbola betsaka ireo misafidy ny fomba amam-panao Malagasy manodidina izay famoran-jaza izay.
« Isan’ny tanjona amin’ny fanaovana ny didim-poitra eto Ambatondrazaka ny fanamafisana ny fihavanana sy ny fifankatiavana eo amin’ny mpiaramonina sy ny fianakaviana » hoy ny zokiolona iray avy any an-toerana. « Izahay dia tena nanaja ny fomba amam-panao Malagasy ka tsy nampiditra ny fomba vahiny, narahinay an-tsakany sy an-davany ny dingana rehetra tamin’izany ka ny rain-jaza no nalaina hanao izany fa tsy mpitsabo akory » hoy i Valérie, renim-pianakavina monina ao Ambodimanga Ambatondrazaka.
« Tsy atao sakana manoloana ny hamehana ara-pahasalamana ny fanatanterahana ny fomban-drazana amin’ny didim-poitra, kanefa ilaian ny hanatontosana izany ao anatin’ny fepetra ara-pahasalamana mba hisorohana amin’ny mety hisian’ny aretina » hoy ny tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Tsiahivina fa ny famoran-jaza dingana voalohany hametrahana ny zazalahy ho ao anatin’ny lisitry ny lejilahy mafy sy sahy ho andrin’ny firenena rahatrizay.
Fa tsy voatery ho zaza ihany no manao izany fa na ny lehilahy efa lehibe koa aza ka tsy mbola nahavita dia afaka mbola manatanteraka izany famorana izany. Mila araraotina ihany koa ny andro mangatsiaka noho izy miaro amin’ny fery mba tsy hihitatra fa ho mora sitrana.
Nicole Rafalimananjara
