ActualitésTsidika

Mbola misy mpiasa Malagasy tavela any ivelany

Mpiasa teratany Malagasy miisa 118 any Moyen Orient sy ao Afrique du Nord no nampodiana tamin’ny taona 2019.Ary mpiasa 306 hafa no nampodiana tamin’ny taona 2020 notohanan’ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fifindra-monina, mpiasa 177 avy ao Koweit, 54 avy ao Liban, 75 avy ao Arabie Saoudite. Ny 97% amin’ireo mpiasa mpifindra monina ireo avy ao Sava sy Diana.

Raha ny tatitra avy ao amin’ny diáspora eo anivon’ny Ministeran’ny Raraham-bahiny, mbola misy mpiasa manodidina ny 300 no mbola tavela ao amin’ny firenena ao Golfe sy Moyen-orient. « Fanondranana Olona Hiasa Any Ivelany : Henjehina araka ny làlana velona ireo mpanondrana sy ireo nahatonga ny fandefasana ireo vehivavy Malagasy miasa any ivelany ka manana olana sy nijaly ary hanonitra ny karama sy voarain’ireo mpiasa sy ny lany rehetra amin’ny fikarakarana ireo vehivavy Malagasy izy ireo » hoy ny fampafantarana nataon’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra ny taona 2019.

Tsiahivina fa ny taona lasa teo nandritra ny firongatry ny valanaretina Coronavirus dia nisedra fahasahiranana ireo mpiasa malagasy tavela tany ivelany. Tokony hametraka tetikasa maharitra hanampiana ireo tsy an’asa eto Madagasikara ny fitondrana mba tsy hisy intsony ireo mpiasa mandeha antsokosoko mandeha miasa any ivelany. Mbola ho nofinofy ihany hatrany izany raha jerena ny zava-misy amin’izao fotoana izao ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire