Ambohimanambola : Manjaka ny halatra vatoaratra amin’ny fiara
Manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana ao Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Ny halatra vatoaratra no tena mampikaikaika ny mponina ary anaovan’izy ireo antso amin’ny mpitandro filaminana.
“Tranga niseho taminay izao dia very nalain’ireo olon-dratsy ny batterie sy ny autoradio tao anaty fiara. Ny toerana misy anay anefa dia mifefy, anaty tamboho. Ka dia hanaovana antso amin’ny mpitandro filaminana fa efa tena mahakivy ny zava-misy, efa enjana ny tsy fandriam-pahalemana” hoy I Andry, mponina ao Ambohimanambola.
“Tsy vao izao no narenesana fahaverazana vatoaratra anaty fiara fa efa maro izay no re tety an-toerana. Efa tena manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana ety an-toerana ka dia tokony samy mailo avokoa” hoy I Tiana, mpivarotra.
Tsy ny fiara irery ihany anefa no lasibatra amin’ny asa ratsy an-toerana, fa misy ihany koa ireo hala-botry isan-karazany izay mamely eny amin’ireo fokontany hafa. Hanaovana antso avo amin’ny mpitandro filaminana araka izany mba hijery akaiky ny zava-misy ary hampihetsika ireo tomponandraikitra izay handrasan’ny mponina hiaro azy ireo.
Manitra Ramanantsoa
