Lisi-pifidianana : Mandray andraikitra amin’ny fanentanana ny olona hisoratra anarana ny antoko TIM
Mandray ny andraikiny ho fampandehanana amin’ny antsakany sy andavany ny fanomanana ny fifidianana ny antoko Tiako I Madagasikara. Manatanteraka fitetezam-paritra ny filohan’ny antoko amin’izao fotoana izao hanentanana ny olom-pirenena rehetra hanamrina ny anarany anatin’ny lisitra. Atao ihany koa izany ahafahana misoratra anarana ho an’ireo tsy mbola ao anatin’ny lisitra.
« Efa maro ny toerana notetezina manerana ny Nosy. Tao Toamasina ny farany teo izay nanolorana ny toromarika hanaraha-maso ny lisitra ary ny fanentanana ny olom-pirenena rehetra hisoratra anarana. Ankoatra ny fidinana an-tsehatra amin’ny fitetezana tokan-trano anefa dia misy ihany koa ireo tompon’andraiakitra afaka manamarina izany anaran’ny tsirairay izany amin’ny alalan’ny fandefasana hafatra miafina ao amin’ny Pejy ofisialy. Araka izany dia ny tompon’andraikitra ao amin’ny Antoko TIM no hanamarina izany anarana izany maimaim-poana ho anao », hoy ny avy ao amin’ny antoko TIM.
Marihina fa 9 andro sisa dia hifarana ny fandraisana ireo diso ao anatin’ireo lisitra ireo sy ny fanamarinana raha efa ao anaty lisitra. « Mbola manentana hatrany ny tsirairay satria adidy ny mifidy. Ilaina ny manana safidy mba tsy hanenenana. Tsy vitan’ny mitazana ny olona handeha hifidy fotsiny ny fandraisana andraikitra ka tokony ho hita ao anaty lisi-pifidianana araka izany ny anaranao », hoy i Erica, tanora TIM.
Ankoatra ny antoko TIM dia efa maro ireo olon-tsotra na olona manana ny fironany hafa no afaka manampy anao manamarina izany anaranao izany. Etsy andaniny ny CENI dia efa manana ny tranon-kalany manokana hahafahanao ihany koa manatanteraka izany. Hatramin’ny 6 mai ny fara-fandraisana ireo diso ary hatramin’ny 31 mai kosa ny fara-fisoratana anarana ho ao anaty lisitra. Hikatona tanetraka ny lisi-pifidianana ny 10jona ary io lisitra farany io no hanatanterahana ny fifidianana ho avy.
Miora Raharisolo
