Dépêches

Fananan-tany : Mbola vitsy ireo Malagasy manana ny karataniny

Dépêche 25 avril, 12h, Mbola vao 20% amin’ny tanin’ny Malagasy ihany amin’izao fotoana izao no misoratra aminy. Misy ny ezaka izay hataon’ny fanjakana hahafahan’ny Malagasy rehetra ny taniny. Miisa 2 tapitrisa ny Malagasy vinavinaina hahazo ny kara-taniny hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity. Heverina ho 1 tapitrisa isan-taona no hisitraka izany aorian’ity taona ity. Ireo tany mbola tsy vita titra na kadasitra, ny tany tsy misy tompony sady tsy tanim-panjakana, ny tany tsy misy fiangonana na fasandrazana, ny tany tsy tafiditra ao anatin’ny valan-javaboahary. Izay efa nohajariany 5 taona farafahakeliny no hanomena izany kara-tany izany. Heverina ho 1 tapitrisa isan-taona kosa no hahazo kara-tany aorian’ny taonz 2023. Haanmpiana izany ezaka izany dia efa nanomboka ny herinandron’ny kara-tany ka hisitraka izany ny isaky ny distrika miisa 119 manerana ny Nosy.

Laisser un commentaire