Dépêches

Fiainam-pirenena: Ny Praiministra Ntsay Christian no mitondra vonjimaika ny firenena

Ny Praiminisitra Ntsay Christian no mitondra vonjimaika ny firenena, araka ny fanapahana laharana faha 12-HCC/D3 ny 9 septambra 2023 noraisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), taorian’ny fametram-pialan’ny filoham-pirenena ny 09 septambra teo. Ny filohan’ny Antenimierandoholona no tokony hisahana ny andraikitra maha filoham-pajakana vonjimaika amin’ny kihon-dalana toy izao, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Nanda tsy handray ny fitantanana ny firenena anefa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tamin’ny alalan’ny taratasy napetrany teo anivon’ny HCC ny 8 septambra.

Laisser un commentaire