Anosy Avaratra: Afaka antsoina amin’ny fotoana rehetra ny mpitandro filaminana
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ary miseho amin’ny endrika samy hafa izany eny rehetra eny. Samy manao ny ezaka amin’ny fiaraha-mientana ho fifampitsinjovana amin’izany ny isaky ny kaominina, anisan’izany ny kaominina Anosy avaratra.
« Tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny ben’ny tanàna ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Efa misy ireo paik’ady napetraka ao anatin’izany ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ireo zandary sy kaomisarian’ny polisy Sabotsy Namehana ho fitsinjovana ny vahoaka » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Ny poste Ambohitrinimanga, GHC Ramino dia afaka antsoina amin’ny laharana 0344732267. Sampan’i Lazaina hatrany Isahafa dia afaka antsoina amin’ny laharana 0346074119, ny fokontany Isahafa sy ny manodidina: 0345024753, GPHC Tahiana » hoy hatrany ny fanazavana.
Afaka antsoina amin’ny fotoana rehetra ny mpitandro filaminana raha misy ny tranga mampiahiahy eny ampin’ny fiaraha-monina eny. Ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitra ihany koa dia zava-dehibe ho an’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Manitra R.
