Ny asa fanaovana vy.
Mpanao ny asa momban’ny vy nanomboka ny taona 1998 i Christian. Eny amin’ny coum 67ha izy no mivarotra ireo asa-tanany sy amoahany ny vokatra vokariny. Nianatra manokana momban’ny ferronerie izy fon’izy mbola mpianatra ary nandalina izany tokoa ka ny taona 2003 no nanomboka nanangana ny orinasany nampotondrainy anarana hoe Christian Ferronerie.
Misy karazany maro ny fitaovana ampiasaina amin’izany asa ferronerie izany toy ny: fils de fer isankarazany, fer Rond lisse de 6, 30, fer carré de 6 à 25, Tube carré de 16 à 200, Tube Rond noire de 16, à 200, Tube rectangle, 40/20, 40/30, etc, Tôle plane noire ( T.p.n), 5/10eme à 100/10eme, dia ny Appareils ilaina, Poste de soudage, Meuleuse à mains, Meuleuse sur Table, Perceuse à Cologne, perceuse à main, Étau sur table, Étau à pied, pour la forgeage ( Enclume, Forge, Établit pour courage, centrage, Agrife, Lime pour Limage, Soudage à gaz ( Acétylène, Oxygène ).
Raha handalo dingana kosa ny vokatra iray dia miankina amin’ny fahasarotany sy my vokatra tiana ho azo. Raha hanao bougeoir ohatra dia manao coupel porte bougie, forgeage pour décorer, ensemblage, finition par meleuse sy lime ary farananana amin’ny fandokoana izany. Roa andro ny faharetan’ny asa araka ny nambarany ary miankina amin’ny fahasarotany ihany koa, azo atao ny manao commande hoy i Christian saingy mila miteny iray andro mialoha.
Nofinofiny ny ho lasa mpanamory fiara-manidina na ho lasa dokotera fa miankina amin’ny fandaharan’Andriamanitra ka talenta momban’ny art vy no nomeny dia isaorana izy. Ary naambarany ihany koa fa andalam-pandinihana ny hanokatra toeram-panovozana momban’ny ouvrage d’art izy ka rehefa hita ny toerana dia afaka mandray ireo ankizy vonona.
Hatreto dia mbola amin’ny alalan’ny carte de visite sy ny tambazotran-tserasera no fomba hampahafantarany ireo vokatra vokariny ireo.
« Mba mangataka tosika ary fanampiana avy amin’ny fanjakana, miangavy antanan-droa ny filoha hajaina Andry Nirina Rajoelina mba hijery akaiky ny mpanao asa tanana Malagasy fa misedra olana amin’ izao fotoana izao vokatry ny fisian’ny Aretina Covid-19 izao, dia manetana ny mpanao asa tanana rehetra mba hanao tsara sy hanaja ny asantsika. Misaotra tompoko », izay no hafatra avy amin’i Christian.
Narcia Hantanirina



