Espagne : Hammam efa tamin’ny taonjato faha-12 hita tao amina toeram-pisotroana iray tao Séville.
Nanao asa fanorenana nanomboka ny fahavaratra farany teo ny trano fisotroana iray tao Seville, atsimon’i Espagne. Hammam iray, na toeram-pandroana amin’ny alalan’ny entona mando tamin’ny taonjato faha-12, mbola voatahiry tanteraka no hita nandritra izany. Vao nanomboka nanapoaka voalohany ny tany, nandritra ny fanamboarana ireo mpanao trano no nipoiran’ny alim-by toy ny kintana. Arkeology iray, Alvaro Jimenez, no voatendry hanampy amin’ny fanombohan’ny asa nanomboka teo. Tafiditra anaty ny faritra arovana ity trano fisotroana ity raha araka ny nambarany satria akaiky ny katedraly Seville. Saingy tsy nampoizin’i Alvaro Jimenez hoy izy ny ahita Hammam ao amin’io toerana io. Fandroana ara-pahasalamana maherin’ny 800 taona izy io hoy hatrany izy. ahitana sary hosodoko, sary sokitra ary haingon-trano amin’ny rindrina. Vinavinaina ho tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 no nanaovana ireo asa-tanana ireo. Ny artista Vicente Traver, no nambaran’I Alvaro Jimenez fa tompon’ireo asa-tanana hita tao amin’io Hammam io. Nafenin’i Vincete Traver ireo haingon-trano sy volon-tany ireo tamin’ny taona 1928, rehefa nanamboatra rihana roa hafa izy, tamin’izany fotoana, ka izao hitan’ny tompon’ilay trano fosotroana izao. Lasa tranombakoka velona ilay toerana amin’izao fotoana raha toa ka saika hosokafana tsy hoe ela ilay trano fisotroana. Navaozina tanteraka tamin’ny endrika voadio io toerana io. Nasongadina manokana ny tantarany ary lasa toerana ahafahan’ny mpanjifa mankafy ny akanton’ny asa tanana silamo izany.
