France : Mararin’ny homamiadan’ny avokavoka indray i Jean-Pierre Pernaut
Tsy zoviana amin’ny maro mpanaraka ny TF1 intsony izany Jean-Pierre Pernaut izany. Mpanolotra ny vaovao tao amin’io fahitalavitra io nandritra ny taona maro ny tenany. Nanambara izy ny alatsinainy teo fa mararin’ny homamiadan’ny avokavoka saingy mbola tsy misy ahatahorana ny aminy.Ny volana may teo hoy izy no fantany fa mararin’io aretina io izy ka nodidiana avy hatrany ny volana jolay ary mbola manaraka fitsaboana ankehitriny. Efa 71 taona i Jean-Pierre Pernaut ankehitriny, marihina fa efa miady tamin’ny homamiadan’ny « prostate » ihany koa izy. Resahina izany mba hanatsarana ny fisorohona ary tsy tokony ampatahotra ny homamiadana hoy izy.
