Tontolo iainana : Ilaina ny fiaramanidina mpamono eto Madagasikara
Misedra olana manoloana ny ady amin’ny afo isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, ka nanapa-kevitra ny fitondrana fa hividy fiaramanidina miady amin’ny afo ho amin’ny tetibola 2022. Volam-panjakana madiodio no hanaovana izany ary efa misoratra amin’ny tetibolan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.
« Efa ren’ny filoham-pirenena ny taraina manoloana ny fahasarotan’ny ady amin’ny afo ka tapaka fa hividy fiaramanidina miady amin’ny afo isika » hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fikaonan-doha Iraisampirenena momba ny Zavamananaina sy ny Fahasalamana tao Ankarafantsika.
« Tsy midika anefa akory izany fa tsy hisy intsony ny afo fa mila tohizana hatrany ny fanentanana tsy hisian’ny afo ary tompon’andraikitra isika rehetra » hoy i Herilanto, mpandinika tontolo iainana. « Sarotra tokoa ny mamono ny afo raha toa ka ora vitsy no nandorana azy, ka maharitra ela ny famonoana, ary aman-taonany maro isika no mizaka ny vokany eo amin’ny toetr’andro » hoy i Faly, isan’ireo niara-nisalahy namono afo nandritra ny fahamaizana tany Ankarafantsika.
Misy ny adidy tsy maintsy ataontsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Misy ihany koa ny ezaka ataon’ny eny ifotony amin’ny fiarovana ny harem-pirenena sy ny harena voajanahary. Ho antsika eto Madagasikara mantsy dia ny rohinjavamananaina sy ny ala no banky voalohany. Ireo no harenantsika ka tokony arovana.
Nicole Rafalimananjara
