Fahasalamana: Mitohy ny fikaroham-bahaolana amin’ny olan’ny vehivavy tonga fotoana fadim-bolana
Mbola misedra olana goavana ireo tovovavy Malagasy maro rehefa tong any fotoan’ny fadim-bolana. Anisan’ny antony iray mampiala andaharana ny mpianatra ny fahatongavana amin’io fotoana io. Indirndra ireo tovovavy any amin’ny tontolo ambany vohitra. Mbola mafy ny ady ho atao amin’izany ka mbola tokony hiaraha-miasa amin’ny mpisehatra maro.
“Antony mahatonga ny maha-olana ity resaka ity ny fanilikilihana ireo tovovavy rehefa tonga amin’io fotoana io. Eo ihany koa ny tsy fisitrahana rano ampy hidiovana , ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana any an-trano na any an-tsekoly mandritra io fotoana io , ny tsy fananana fahefana mividy salaka sy silipo ary indrindra ny tsy fahafantaran’izy ireo izany hoe tonga fotoana izany. Araka izany dia maro ireo asa tsy maintsy hatao hahafahana mamaha ireo olana ireo”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
“Anisan’ny efa asa natao ny fanentanana ny ray aman-dreny hampafantatra ny ankizy izany fadimbolana izany, ny fanentanana ny lehilahy ny zatovolahy mba tsy hanilikilika ireo vehivavy na ny reny na ny vady mandritra io fotoana io fa hanohana azy ireny ara-moraly , ny fametrahana foto-drafitrasa fanadiovana sy fidiovana any an-tsekoly sy ny fanentanana ny olona mba hanana izany, ny fanentanana ny vehivavy anamboatra salaka azo sasaina ary ny fampianarana any an-tsekoly ny tokony aton’ny vehivavy mandritra ny fadimbolana mba ahafahan’ny vehivavy rehetra miatrika ampitoniana ny fadimbolany. Mbola misy hatrany ny tsy mahafantatra satria asa mafy izany fandresena lahatra olona izany ka ilaina ny fiarah-miasan’ny mpisehtra voakasika tsirairay”, hoy hatrany ny fanampim-panazavana.
Tokony samy handray andraikitra avokoa araka izany ny mpisehatra voakasiky ny fitaizana tanora rehetra. Samy manao izay tandrify azy. Ny lohahevitra ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny fidiovana mandritra ny fadimbolana dia hoe “andao miaraka mandray andraikitra”.
Miora Raharisolo
