Ny Alzheimer na Fahaverezan-tadidy lalina
Ny aretina Alzheimer dia aretina vokatry fahafatesan’ny atidoha, izany hoe tsy miasa intsony ny singa fitadidiana ao amin’ny atidohan’ny olombelona.
Zary lasa very sy manjavona ireo fahatsiarovana sy fitadidiana maro ary lasa foana mihitsy ny ao anaty ati-doha. Vao tsy ela fa tamin’ity herinandro ity ihany koa no nanamarihana ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny Alzheimer.
« Raha manana olona eo amin’ny fitadidiana na tsy fahatsiarovana olona iray akaiky na tiana na koa mihena ny taha fitadidina eo amin’ny fianarana dia efa azo lazaina ho soritr’aretina izany ka tsara hatrany manantona mpitsabo mba hisorohana farany izay haingana ny aretina Alzheimer, sarotra ihany manko ny mitsabo azy raha efa latsaka lalina ao aminao izy » hoy i Rasera, manana fianakaviana voan’ny Alzheimer.
« Azo lazaina ho homamiadan’ny ati-doha ihany izy io ary miha-maty tsikelikely ny fifandraisana eo amin’ny neuronales sy neurones, zavatra maro no potika sy simba vokatr’izy ao ary miteraka fahaverezan-tadidy tanteraka izy io, tsy misy fanafody tena manafoana azy io fa ny fampitoniana ireo sotitr’aretina no misy, azo averina tsikelikely ihany anefa ireo fitadidina amin’ny alalàn’ny fampitsiahivana ataon’ny hafa » hoy ny fanazavan’ny Dokotera Edmond, mpitsabo sy miandraika aretin’ny ati-doha.
Ilaina ahena ihany ny fiasana saina be loatra mba tsy feno ny « memoire » ao an-dohantsika ao ka ho voan’ny Alzheimeir. Mirary soa sy fanasitranana kosa ho an’ireo izay mitondra io aretina io.
Lovasoa Tojonirina
