RN4 : Lozam-pifamoivoizana Namoizana ain’olona roa
Nitrangàna lozam-pifamoivoizana indray tamin’ny lalam-pirenena faha-4 iny, teo Beanana. Fiara Taxi-brousse manao Marovay-Tana no nivadika ambony ambany ka nahafatesan’olona miisa 2. Fantatra tamin’izany ihany koa fa tao antina fiara iray nifampikasoka tamin’io ny mpanakanto Lalie Laryss sy Ayo Naej ary marihina etoana fa tsy nisy naninona izy ireo.
Misesisesy ary hila ho isan’andro mihitsy ny lozam-pifamoivoizan tato ho ato, vao tsy ela no nisiana loza tamin’ny lalana hiditra an’Ankazobe iny dia ny zotra 163 nivadika ka nafatesan’olona telo, ary ity indray tany amin’ny lalam-pirenena faha-4.
« Raha iny 19km tsy hiditra ny maevatanana iny dia nifanojo ny fira roa ka nianjera ilay iray, naratra mafy avokoa ireo tao anatiny ary olona roa no namoy ny ainy, maty tsy tra-drano ny vehivavy miisa roa tao antin’izany » hoy ny fitantaran’Iaro, nanatri-maso.
« Efa tafiakatra ambony loatra ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana misy amin’izao fotona izao, efa miditra an-tsehatra amin’ny fanaraha-maso ireo fiara ihany izahay saingy ny fiara mihitsy koa no misy mandeha mafy loatra indraindray eny amin’ireny lalana ireny, ny fahatapahan’ny hisatra tampoka koa indraindray tsy ferana, koa entanina hatrany ireo mpitondra fiara, indrindra amin’ireny lalam-pirenena ireny mba hitandrina » hoy i Felix mpitandro filaminana misahana eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana.
Raha ny nolazain’ny mpandika fiaraha-monina iray indray dia « ilaina foana ny fahamailoana indrindra rehefa hi-voyage, tsara ny manadihady lalina ny mpitondra sy tompon’ny fiara andehanana ny amin’ny fahatomombanan’ny fiara, indrindra mba ahatonga azy ho mailo amin’ny asany koa ».
Ny fiainana amin’izao mihitsy no efa miha-ratsy sy itrangàna loza maro. Ilaina foana koa ny fametrahana ny dia eo am-pelatanan’Andriamanitra mba tsy hisy sampona, ireo mpitondra fiara koa entanina mba ho mailo sy hitandrina hatrany.
Mirary fiononana sy fankaherezana feno ho an’ny fianakavian’ny niharam-boina.
Lovasoa Tojonirina
