Toetra tokony hananan’ny rehetra ny fahaizana mandresy lahatra
Ny fomba fitaizana malagasy matetika dia miainga avy amin’ny tahotra. Mba hahafahan’ireo ray aman-dreny mifehy ny zanany dia mampiasa ireo karazana fandemen-tsaina maro samihafa izy ireo. Vao kely ohatra dia asaina mangiana ny zaza rehefa maneho ny zavatra tsapany sy ny faniriany raha tsy izany lasan’ingahibe sola. Rehefa lehibebe dia miroso amin’ny fikapohana ireo ray aman-dreny. Mahazo ny vely hazo na ny tsongo na ny felaka vao manohitohitra sarotra tenenina. Rehefa lehibe dia tena daroka mihitsy no mahazo na teny maharary na fanabadoana rehefa misy trangan-javatra hilana fifehezana ilay zanaka.
Ireo rehetra ireo dia matetika mitarika ireo zanaka tsy dia hahay haneho hevitra sy hanazava ny zavatra tsapany loatra satria efa zatra ilay voafehy tamin’ny halalan’ny tahotra tamin’ny mbola kely rehefa tokony hiteny. Mandrapahalehibe azy dia hisy olana amin’ny fandraisam-pitenenana io zaza io raha tsy hoe mahazo fanabeazana hafa avy amin’ny fiaraha-monina hivelarany na avy any am-pianarana. Rehefa dinihina tokoa ny fihetsiky ny tsirairay eny anivon’ny fiaraha-monina eny dia tena tsapa fa miavaka foana ny zaza navela haneho hevitra hatramin’ny fahakely. Rehefa zatra nohenoina hatramin’ny kely izy dia mora aminy ny mandahateny, mora aminy ny maneho hevitra, mora aminy ny miaro ny heviny, ary am-panajana hatrany izany satria efa zatra nohajaina ihany koa izy dia lasa mahay manaja ho azy.
Raha tiana hivoatra tokoa anefa ny fiaraha-monina iray dia mila mahay maneho hevitra, mila mahay mandresy lahatra ny mponina ao aminy. Toy izany ihany koa ny eny anivon’ny orinasa eny na anaty fikambanana maro isan-karazany any. Mila fahazaina anefa izy io fa tsy hoe rehefa mahay mandahatra hevitra dia efa ampy izay. Ilaina ihany koa ny fahaizana mihaino. Tsy mirindra ny fifanakalozan-kevitra raha tsy vonona ny hifampihaino ny roa tonta. Mety mivadika ady raha tsy voafehy izany. Tokony hianaran’ny tsirairay araka izany ny fahaizana mandresy lahatra, indrindra am-panajana.
Diamondra Randriantsiferana
