SocialTatitra

Maurice : Omena fiofanana ny mpiasan’ny fahasalamana.

Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny zoma 26 febroary lasa teo.Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy ampy ny mpanampy mpitsabo eny anivon’ny hopitaly. Vahaolana hitan’izy ireo ny fanomezana fihofanana ampy mba hahafahan’izy ireo miatrika ny asany. Fianarana izay mitondra ny lohateny hoe : «  Licensed  practice nurse » .Haingam-piasa ny minisiteran’ny fahasalamambahoaka noho ireo fanamboarana tobim-pahasalamana manaraka ny fenitra.Tsy mifandanja anefa izany  satria tena mbola hita ho tsy ampy ireo mpiasan’ny fahasalamana mirotsaka an-tsehatra,na eo aza ny firoboroboan’ny foto-drafitr’asa.Namafisin’ny teo anivon’ny minisitera fa tokony hafanganina ny fampidirana mpiasa mba hifanaraka tsara amin’ny eny amin’ny hopitaly. Tokony hanana  mpiasa vonona avy hatrany handray ny asany ny fanjakana , mba hitantana ireny toerana ireny. Misy fiantraikany any amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary ny tsy fahampihan’ny mpiasa. Mila fampihofanana ihany koa ireo mpanampy mpitsabo miisa 1200 ;raha toa ka tsy afaka mampiditra mpiasa izy ireo, tokony homena fiofanana mahaomby ireto mpanampy mpitsabo ireto amin’ny fiatrehana ny asany, raha araka ny nambaran’ny solotenan’ny minisitera. Manao antso amin’ny mpitondra fanjakana any an-toerana izy ireto araka izany satria miteraka risika ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana ny faharatsian’ny fandraisana an-tanana.

Laisser un commentaire