SocialTatitra

Brésil : Maherin’ny 4000 ireo matin’ny covid tao anatin’ny 24 ora

Mitotaly ho 4 195 ireo matin’ny valanaretina coronavirus ao Brésil tao anatin’ny 24 ora. Io no taha ambony indrindra voaangona tao an-toerana araka ny antontan’isa ofisialy navoakan’ny minisitry ny fahasalamana ao Brésil. Mitàna ny laharana faharoa amin’ireo firenena voakasika indrindra amin’ity areti-mandoza ity izy araka izany. i Etats-Unis no eo amin’ny laharana voalohany izay ahitana olona maty miisa 336 947 hatramin’ny nisian’ny valanaretina tamin’ny taon-dasa. Manana mponina 212 tapitrisa i Brésil. Izy ihany koa no eo amin’ny laharana faharoa amin’ireo firenena manana olona mitondra ny tsimonkaretina betsaka indrindra. 580 ireo olona voamarina ho mitondra ny tsimonkaretina. Tafakatra 86 979 izany tao anatin’ny 24 ora. Mbola misy olona miisa 13 100 kosa ahiahiana saingy mbola tsy nivaly ny fitiliana natao azy ireo. Tao anatin’ny 10 andro fotsiny, efa maherin’ny 15 000 isa no maty voaangona tamin’ity volana aprily ity tao Brésil. Izany hoe 2 757 isan’andro farafahakeliny. Feno hiboka ny hopitaly rehetra ao an-toerana amin’izao fotoana. Sahirana ny mpitsabo ary hatramin’ny fiara fitanterana mpianatra aza tsy maintsy ampiasaina hitanterana razana amin’izao fotoana. Tokony heverina hoy ny manam-pahaizana ao an-toerana ny hametrahana jadona mahakasika ny fidirana amin’ny fihibohana tanteraka ho an’i Brésil na dia eo azan y fanaovam-baksiny.

Laisser un commentaire