La Réunion : Fiverenana amin’ny « couvre-feu » indray
Nilaza ny fiverenana amin’ny « couvre-feu » ao La Réunion ny filoha Emmanuel Macron nanomboka ny talata 13 jolay lasa teo. Nandritra ny valan-dresaka nataony ny alin’ny alatsinainy 12 jolay 2021 no nanambarany ny fisian’ny fetr’ora azo hivoahana amin’ny alina ho an’ireo faritany roa dia i La Réunion sy i Martinique noho ny fivoaran’ny fiparitahan’ny aretina ao aminy. Mitohy araka izany ny hamehana ara-pahasalamana ao La Réunion. Efa mahatratra 150 ny marary amin’ny mponina miisa 100 000 any amin’ny nosy. Ahiana ny mety hitotonganan’ny toe-karena any an-toerana noho izao hamehana ara-pahasalamana izao. Betsaka ny fepetra napetrakin’ny filoham-pirenena Frantsay ho an’ny La Réunion manomboka ny volana Aogosotra izao.
