SocialTatitra

Canada : Voaheloka higadra 11 taona ilay olona voapanaga nanao fitsikilovana tao Chine

Tsy rariny ny fiampiangana ity lehilahy mpandraharaha canadien antsoina hoe Michael Spavor ity hoy ny praiminisitra canadien Justin Trudeau ny alarobia teo. Nohelohinananao fitsikilovanatao Beijing ny tenany.

Fikasana ampiasa olona mba hanamorana ny fampiraharahana eo amin’ny raharahan’ilay Chinois Meng Wanzouh, mpandraharaha ao amin’ny Huawei izay nosamborin’i Etats-unis no tanjon’izy ireo amin’izany hoy ny masoivohon’i Etats-unis ao Beijing. Tsiahivina mantsy fa andro tao alohan’io dia canadien hafa iray ihany koa no nohelohina nanondrana zava-mahadomelina tao amin’io tribonaly niampagana an’i Michael Spavor io ihany.

Laisser un commentaire