Etats-Unis : TikTok no « application » be mampiasa indrindra ao alohan’ny Facebook
Resin’i TikTok ny Facebook eo amin’ireo tamba-jotra sosialy lehibe indrandra ao Californie. Izy no application be mpamiasa sy be paka indrindra amin’izao fa indrindra ny taona 2020 teo. Raha ny fanazavan’ny orinasa App Annie dia anisany nampirondratra izany ny fisian’ny valan’aretina sy ny fihiboana.
Mbola ny Facebook hatrany no ao aorian’i TikTok, manaraka azy ny Whatsapp, ny Instagram ary ny Messenger. Nisendra olona kosa nefa ny TikTok tamin’ny taona 2019. Noraran’ny filoha teo aloha Donald Trump ny fampiasana izany ary namoaka didim-panjakana mihitsy izy manoloana izany fa ampiasain’i Beijing amin’ny fitsikilovana an’i Amérique io application io.
