ActualitésTsidika

Tsy mbola fantatra na hisy na tsia ny matso amin’ny 26 jona

Mahazatra isan-taona ny fisian’ny matso ataon’ny tafika Malagasy isakin’ny tsingerin’andro fankalazana ny niverenan’ny fahaleovan-tena ny 26 jona. Ny marainan’ny 26 jona no fanatanterahana izany any Mahamasina, raha ny nahazatra. Raha ny tamin’ny taon-dasa kosa izay nisian’ny fihibohana indrindra ny krizy ara-pahasalamana izay tsy azo namoriana olona dia notontosaina teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena Analakely ny matso nataon’ny miaramila. Efa ho avy tsy ho ela ihany koa ny 26 jona izao, tsy mbola fantatra mazava anefa ankehitry raha hisy ny matso ary tsy mbola navoaka ofisialy ihany koa ny toerana hanaovana izany sy ny ora. Miankina be amin’ny toe-draharaham-pahasalamana ny fanatontosana izany hoy ny tompon’andraikitra. Efa vonona kosa ny kianjan’ny Barea hanatontosana izany raha hisy ihany saingy tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra. 61 taona izao no nahazahoana ny fahaleovan-tena ary hankalaza izany tsy ho ela ny Malagasy rehetra. Mariky ny fiandrianam-pirenena ny famoahana ny sainam-pirenena any an-tokatrano tsirairay ary indrindra fanajana ireo tolona nataon’ny Malagasy niady tamin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire