ActualitésTsidika

Hisitraka fanaovam-baksiny ny Mpisehatra rehetra eny amin’ny Oniversite Antananarivo

Averimberin’ny Minisiteran’ny fahasalamana hatrany fa an-tsitrapo ary maimaimpoana ny fanaovam-baksiny eto amin’ny tany Repoblikan’i Madagasikara. Tompon’andraikitra amin’ny fahasalamana ny tsirairay ka manana safidy malalaka amin’izany fanaovam-bakssiny izany. Mikarakara fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19 indray ankehitriny ny Oniversiten’Antananarivo izay ho tanterahana ny 7 hatramin’ny 17 jona. Hisitraka izany avokoa ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra te hanolo-tena, ireo mpianatra vonona hanao izany, ny mpiasa rehetra sy ny fianakaviany maniry hisitraka izany. Any amin’ny service médico-social sy any amin’ny CSBII no toerana napetraka hanatontosana izany vaksiny izany. Misy ireo miasalasala ny amin’ny fahatoahorana ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny fahasalamana saingy efa betsaka anefa no nanatontosa izany tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miantoka ny fahasalaman’ny vahoaka notariahan’ny Minisitry ny fahasalamana Rakotovao Hanitrala Jean Louis mihitsy ny fanaovana ny vaksiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire