SocialTsidika

Inona no tena mampirongatra ny fanolanana tato ho ato ?

Nafanafana ny resaka fanolanana etsy sy eroa tato anatin’ny herintaona, voakasik’izany avokoa na ankizy na tanora na antitra. Ny tena mampalahelo anefa dia betsaka ny zazakely hiharan’izany. Very fanahy mbola velona ve sa efa tsy misy eritreritra intsony ramalagasy ? Tsy vavy, tsy lahy, tsy ankizy, tsy tanora fa mandeha amin’ny tsy eritreritra avokoa hany ka lasa manao firaisana ara-nofo an-tery sy an-kerisetra mihitsy aza. Tsy fantatra na ilay izy diso haparitaka loatra manerana ny haino, vaky, jery ary anaty tononkira sy asa soratra isan-karazany any no tena mampirongatra azy. Hany ka na ny tsy nahalala izany fanolanana izany aza mahay satria maheno ka manandrana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-pananahana misy eto amintsika satria heverina ho zava-pady sy mahamenatra izany. Tany Mandoto Vakinankaratra izao, nisy zazalahy 12 taona, nosamborin’ny zandarimaria, voalaza fa nanolana zazavav 11 taona. Notambazan’ity zazalahy ity sy namany iray 100 Ar ity farany ka nifandimby nanao ny filan-dratsiny teo izy roa lahy kely. Navelany teo rehefa vita ny nataony ary nalemy tsy nahatsangana ilay zazavavy. Nisy nahita ihany anefa ary nentiny tany amin’ny hôpitaly haingana. Mitohy ny fanadihadihana ity raharaha ity ary efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ilay zazalahy. Tsy fahaizana mifehy ny fanatontoloana ihany koa no anisan’ny mahatonga izao. Tsy voaraha-mason’ny ray aman-dreny intsony ireo zaza sy tanora, hany ka manao izay tiany anaty tambajotra sy any amin’ny fiarahamonina. Eo ihany koa ny fahantran’ny gasy tafahoatra satria teto izao 100 ar monja no nanambatambazana ilay zazavavy kely. Hanao ahoana ny hoavin’ireto tanora ireto raha toy izao sahady aza ny kely ? iza no tokony homena tsiny ? An’iza ny fahadisoana ? Inona no vahaolana ?

Nicole Rafalimananjara  

Laisser un commentaire