SportTsidika

Kitra : Tsy nampoizin’ny mpijery ny voka-dalao

Nitarika indray ny ligin’Analamanga nandritra ny lalao ampahefa-dàlana tamin’ny taranja baolina kitra « Telma coupe de Madagascar » notontosaina ny Alarobia teo teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Misy an’i CFFA Andoharanofotsy, Elgeco Plus, Unscafoot izany. Manampy an’ireo hiatrika manasa-dalàna amin’ny alarobia 4 aogositra izao ihany koa CS-DFC Vakinankaratra. Ny Unscafoot sy ny CS-DFC no hifanandrina amin’izany ary ny Elgeco Plus sy ny CFFA.

“Niady ny lalao, lavon’ny CFFA tamin’ny isa 1 no ho 0 ny AS Adema izay nantenaina tamin’ity lalao ity amin’ny maha tompondaka azy” hoy ny mpanatrika ny lalao. “Pénalty” nodakan’i Rinoh teo amin’ny minitra faha enina ity baolina maty ity ary nijanona teo ny isa na dia efa nanao izay ho afany aza ry Onja sy ry Aina tao amin’ny AS Adema. “Tirs au but” kosa no naharesah’i CS-DFC ny JTM Boeny, tamin’ny isa 3 no 2 rehefa nisaraka ady sahala 1 sy 1 teo amin’ny minitra 90 sy ny fanalavam-potoana.

Tamin’ny isa 2 no 0 kosa nandresean’i Elgeco Plus ny Mama. Noporofon’izy ireo ny teny nataon’ireo mpahay baolina kitra fa tombony ho azy ny fanatanterahana ny lalao teo amin’ny kianja efa nahazatra azy.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire