Handray anjara amin’ny fivorian’ny Sadec i Madagasikara
Nankatovina ny 28 jolay teo nandritra ny filàn-kevitry ny minisitry teo Iavoloha ny fanatrehan’i Madagasikara ny filàn-kevitry ny ministra sy ny fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny governemanta. Tontosaina ny 9 hatramin’ny 18 aogositra izao ao Malawi izay firenena mitantana ny Sadec izany.
Lohahevitra ho dinihina mandritra ny fivoaran’ny fanatanterahana ireo hevitra tapaka nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra sy ny tondrozatran’ny Sadec eo amin’ny sehatry ny indostria, ny fandinihana ny tatitry ny kaomity miandraikitra ny fitantanam-bola sy ny an’ireo misahana ny fitantanan-draharaha ary ny mpiasa.
Ny volana Jona 2021 lasa teo no notapahana tao Maputo Mozambika ity fivoriana amin’ny volana aogositra miaraka amin’ny filàn-kevitry ny ministra sy ny filoham-pirenena ary lehiben’ny governemanta ity. « Voninahitra lehibe ny mandray anjara amin’izany » hoy ny solotenan’ireo minisitra. Tsiahivina niara noraisin’ny ministra sy ny tampon’ireo filohan’ny governemanta notarihin’ny filohan’i Namibie tamin’ny taona 2019 niaraka tamin’i République Démocratique du Congo ny filohan’i Madagasikara.
Hasina Rasamimanana
