Hikarakara seho an-tsehatra ny Mage 4
Hiakatra sehatra eny Antsahamanitra ny 19 septambra manomboka amin’ny 3 ora hariva ny tarika Mage 4. Fotoana maro izay no tsy niakaran’izy ireo an-tsehatra hany ka tsindrin-daona ny mpankafy azy. « Te hiara_dia aminareo rehetra indray izahay taorian’izay fotoana maro tsy nihaonana izay » hoy ny tarika Mage4.
Efa nahazo alalana rahateo ny fanaovana fampisehoana an-kalamanjana ary afaka manohy ny asany ireo mpkarakara lanonana. « Efa saika ny Martsa lasa teo natao ny fampisehoana ary niandry izahay saingy tsy tanteraka izany koa izao amin’ny septambra izao no fiakarana an-sehatra lehibe indrindra ho amin’ity taona ity koa tongava maro fa samy faly » hoy ny Ivenco isan’ny mpikarakara.
« Izahay efa ela no mpankafy ary nanaraka teny foana, koa faly izahay sy mila tsy hahandry ny 19 septambra fa te hankafia sy hihirahira hiaraka amin’ny Mage 4 indray » hoy i Mario, mpankafy. Azo lazaina ho mpihira nitety vanim-potoana sy tsy lefy laza ny tarika Mage 4, na tanora na lehibe na zaza dia hita fa mankafia ny hirany avokoa. Hinoana fa ho feno i Antsahamanitra amin’io daty io.
Nicole Rafalimananjara
