Tsaroana androany 19 aogositra ny maha zava-dehibe ny fifanampiana
Lalovan’ny Krizy ny firenena ankehitriny, samy manao izay hihinany sy hahavelona azy ny tsirairay ka manomboka very ny soatoavina Malagasy. Ilaina anefa ny fifanohanana indrindra amin’izao krizy ara-pahasalamana izao izay azo aseho amin’ny endriny maro toy ny toro-hevitra sy ny fanomezan-tanana ary vola sy maro hafa.
« Ilaina ny fanampiana ny hafa ary ny andron’ny 19 aogositra izao mihitsy no tena tokony hanomezan-danja ny maha-zava-dehibe ny fifanampiana indrindra manoloana ny loza voajanahary sy ny krizy maro samihafa » hoy ny avy ao amin’ny OMS. Ny 19 aogositra tokoa mantsy no natokan’izao tontolo izao ho an’ny fanampiana eo amin’ny samy olombelona.
« Fanampiana ara-pitaovana sy arak’olona ny olombelona hiharan’ny loza voajanahary sy ny ady » hoy i Sylvie, mpandinika manoka mikasika ny « anthropologie ». « Afaka mifanome tanana amin’ireo tra-boina na ny olon-tsotra na ny fikambanana na ny fanjakana, koa aoka tsy hanary ny mpiray tanindrazana isika indrindra ireo any Atsimo amin’izao andro izao » hoy i Fiderana, tanora.
Ny kere tokoa mantsy dia azo lazaina ho loza voajanahary ka tokony hanolo-tanana azy ireo isika Malagasy rehetra, tsy voatery ara-bola fa izay azontsika atao rehetra. Maro ihany koa ireo mpiray tanindrazana mila ny tolo-tanana avy amintsika, tsy afaka miaina malalaka fa ianjadian’ny olana, fotoana izao hanavotana azy ireny.
Nicole Rafalimananjara
