ActualitésTsidika

Hiroso amin’ny fampiasana vola nomerika i Madagasikara

Nanangana tetikasa « e-Ariary » izay vola nomerika ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM).

Nandritra ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus, nihena ny fahafahana mivezivezy ka niroso tamin’ny fandoavam-bola elektronika avokoa ny ankamaroan’ny mpampiasa vola ary azo lazaina fa efa miditra amin’ny « digitalization » i Madagasikara amin’ny sehatra maro.  

« Tsara ny tetik’asa, fa kosa ho hain’ny Malagasy ve ny hampiasa izany ? » hoy Koly, mpivarotra. « Fampandrosoana ho an’ny Madagasikara amin’ny sehatra matihanina ity tetikasa e-Ariary ity ary manamora ny fivezivezen’ny vola, tombony lehibe ny fanaovana azy toy ny any amin’ny firenena maro samihafa » hoy kosa i Georgie mpianatra amin’ny tontolo ara-barotra. Raha ny hevitr’i Andry mpahay toe-karena : « Valo amby telopolo isan-jato ny mponina eto Madagasikara no mampiasa finday ary roa ambin’ny folo isan-jato ny taham-pampiasana anterineto eto amin’ny Nosy. Azo atao tsara arak’izany ny miditra amin’io sehatra io ».

Betsaka ny ezaka azo atao afahana miditra amin’ny sehatra teknolojika ho fampandrosoana ity nosy Madagasikara ity. Hevitra tsara hampihenana ny fivezivezen’ny vola tokoa ity naroson’ny BFM ity. Hanana fahefana hiditra amin’izany ve nefa ny malagasy rehetra ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire