Mialangalana amin’izy 11 Mianadahy ny mpitarika azy
Vao tsy ela akory izao no nanaovan’ireo solombavambahoaka ao amin’ny antoko mpanohitra voafidy tamin’ny alalan’ny antoko TIM ny fangatahana ny hamoahana vonjimaika azy 11 mianadahy. Izy ireo izay voasambotra sy nolazaina fa tratra nizara vola ary ihany koa nahatratrarana vato saika hanakorotanana teny Analakely ny volana febroary lasa teo. Tsy nahazo fahafahana vonjimaika anefa izy ireo araka izany ary amin’ny 13 Aprily ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana azy ireo. Mitaraina ankehitriny ny fianakavian’ireo voasambotra ireo fa tsy misy fanohanana akory avy amin’ny lehiben’ny antoko mpanohitra ny amin’ny fikarakarana ireto havany ireto. Nambaran’izy ireo ihany koa fa ny fianakaviana sy olon-tsotra namany mpikambana ao amin’ny antoko mpanohitra no nanao tsipaipaika ho azy ireo.Ny lehiben’ny mpanohitra sy ireo solombavambahoaka niketrika ny korontana tsy nisy niraharaha azy ireo intsony ka lasa « Miara-mifonja » izy ireo sisa. Mila tohana anefa ireo voasambotra ireto indrindra amin’ny ara-bola satria na ny fakana mpisolovava aza tsy mora foana. Mangataka ny fanoloran-tanan’ireo mpitarika ny mpanohitra eto Madagasikara araka izany ny fianakaviana, izay antony voalohany nahatonga azy 11 mianadahy ho tany am-ponja izao.
Nicole Rafalimananjara
