Manao ahoana marina ny zava-misy eny amin’ireo ivon-toeram-pitsaboana ny mararin’ny Coronavirus ?
Manomboka feno ankehitriny ireo hopitaly sy ivon-toeram-pitsaboana marary, indrindra fa ny eto amin’ny faritra Analamanga izay ahitana taha ambony indrindra amin’ny olona mitondra ny tsimok’aretina. Ankoatra ny tsy fahampian’ny “oxygéne” izay sedrain’ny marary ankehitriny, misedra olana ihany koa izy ireo amin’ny fandraisana an-tanana hataon’ny mpitsabo eny amin’ny hopitaly. Misy amin’ireo marary aza moa no milaza fa efa mifangaro amin’ny marary tsotra ny mararin’ny Covid-19 eny amin’ny hopitaly nohon’ny fahafenoan’ny toerana etsy amin’ny hopitaly HJRA. Etsy ankilany, misy fianakaviana manaraka marary eny amin’ny Tanana Voara sy ny ivotoeram-pitsaboana Mahamasina no milaza fa misy ny fahatapahan-jiro any amin’ireo toerana ireo, ka miteraka fahatapahana eo amin’ireo fitaovana hampiasaina hamelomana aina, ka mahafaty avy hatrany ny marary efa ao anaty fahasemporana. Misy araka izany ny antso vonjy hataon’ny eny anivon’ny toeram-pitsaboana mba tsy tokony hanapahana ny jiro amin’ireny toerana ireny. Fa ankoatra izany, mahatsapa ny marary eny an-toerana fa tsizarizary ihany koa ny fandraisana an-tanana hataon’ny mpitsabo eny amin’ireny toerana ireny. Misedra olana tokoa satria tsy maharaka intsony ireo mpanampy mpitsabo ankehitriny. Misahana asan’ ny mpitsabo mpanampy 3 mantsy ankehitriny ny mpanampy mpitsabo iray raha ny nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny mpanampy mpitsabo. Fotoana vitsy ao anatin’ny iray andro ihany ny mpitsabo no mijery ireo marary, ny mpitsabo mpanampy no tena mitakosina indrindra amin’izy ireo. Efa tratran’ny valan’aretina avokoa ny 60% ny mpitsabo mpanampy ary manao antso avo amin’ny tokony hampitombona azy ireo ny sendika mba hampirindra ny fandraisana an-tanana eny anivon’ny hopitaly.
Fanilo Rarivoarilala
