SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy hatrany ny asa fanadioavana ny tanàna

Nisy ny ezaka fanadiovana ireo tata-drano sy ireo toerana izay lasa fanariam-pako tsy ara-dalàna nataon’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Efa ho avy tokoa izao ny vanim-potoanan’ny orana, ka mila miomana sahady indrindra ny amin’ireo fako izay manentsina ny tatra.

« Efa mandeha ny ezaka rehetra ho fisorohana ny voka-dratsy ateraky ny fako indrindra eo amin’ny tontolo iainana kanefa tsy mijanona eo aminay ihany ny fandioavana fa amintsika tsirairay avy any an-tokantrano any » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny tanànan’Ankadikely Ilafy. « Mila manaraka ny lamina napetraky ny kaominina isika, indrindra ny toerana tokony hanariana fako satria mila tanàna madio isika eto Ankadikely Ilafy » hoy i Raymond, mponina ao Akadikely.

« Ny toe-tsaina tia fahadiovana no taratry ny fandrosoana ary ny fiara-mientan’ny rehetra no hanatràrana ny tanjona » hoy i Ando, mpahay tontolo iainana. Tanàna madio maha te-honina sy lavitry ny aretina no teny filamatra ho entina hampandrosoana ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tsy ny mpitondra fanjakana irery no tokony hanatratra ny tanjona fa eo ihany koa ny fiaraha-mientrana amin’ny vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire