Ambohimangakely: Vita soa aman-tsara ny asa fanamboarana ny CEG Ambohimangakely
Vita soa aman-tsara ny asa fanamboarana sy fanavaozana tao amin’ny CEG Ambohimangakely. Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanolorana izany ho an’ny talen-tsekoly, izay notronon’ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanatanterahana izany asa izany.
« Araka ny fanamby napetraky ny kaominina, dia ny ahavitan’ity asa fanamboarana sy fanatsarana ity fianarana ity mialohan’ny fanombohan’ny taom-pianarana vaovao, dia tratra ny tanjona ka vita sy nohatsaraina tanteraka izany. Izany dia ao anatin’ny fanomezana lanja ny fampianarana sy ny fanabeazana avokoa » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Mendrika ho an’ny mpianatra eto an-toerana tokoa ny hianatra amin’ny toerana manaraka ny fenitra sy milamina tahaka izao. Hisaorana ny tomponandraikitra ny ezaka amin’ny fanatsarana tahaka izao satria anisan’ny fitaratra ho an’ny hafa ihany koa ny fanaovana laharam-pahamehana ny fampianarana » hoy i Voahangy, mpampianatra.
Tsy ny ivelan’ny sekoly ihany moa no nitondrana fanavaozana tamin’ity sekoly ity fa hatramin’ny efitra anatiny sy ireo fitaovana ampiasain’ny mpianatra ihany koa dia nohavaozina. Ankoatra izay, nahazo kianja filalaovam-baolina ihany koa ny CEG Ambohimangakely.
Manitra R.
